Sport

Manasa-dalan’ny Rugby à XV “GOLD TOP20-2019” Ny Tfa Anatihazo sy ny Cosfa no tafita


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Tontosa omaly 19 janoary 2020 teny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka hipoka olona tanteraka ireo lalao manasa-dalana roa amin’ny fifaninanana rugby à XV Gold Top 20-2019.

 

 

 

Tafita tao anatin’ny herikerika nifafy ny Tfa Anatihazo sy ny Cosfa Miaramila. Ny Tfa na Pilokely araka ny filazan’ny maro azy dia nandoro ny kilonga lahin’ny CNaPS Matsiatra Ambony tamin’ny isa mazava 37 noho 32. Ny Cosfa kosa dia nanilika an’i Dakar tamin’ny moka fohy 18 noho 17. Marihana fa amin’ny faha-02 febroary 2020 izao no hanatanterahina ny lalao famaranana amin’ity fifaninanana ity.

 

Vokatra rehetra azo teny Andohatapenaka omaly :

 

Lalao sokajy federaly 2 : Afa 03 – 07 Soe  ;  Fbm 24 – 23 Matadore A

Lalao Gold Top 20 : Tfa 37 – 32 Cnaps  ; Cosfa 18 – 17 Ftm

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT