Manasa-dalan’ny Ligue des champions

Manana herijika kokoa ny Arsenal manoloana an’i PSG anio


  • Talata 29 Aprily 2025

Miditra amin’ny kihon-dalana faramparany ny Ligue des champions Eorpeanina,

lalao isan’ny be mpanaraka indrindra eto ambonin’ny tany. Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana mandroso anio 29 aprily amin’ny 10 ora alina ny Arsenal sy ny Paris Saint-Germain. Azo lazaina fa manana herijika kokoa i Arsenal anio, izay mampiantrano ny lalao ao amin’ny Emirates Stadium. Nahavita nandraraka ny Real Madrid, izay tompondaka farany, tamin’ny fandresena mazava 5-1 tamin’ireo lalao roa nifanesy ny Arsenal. Tsy mbola resy tao amin'ny Emirates Stadium tamin’ireo lalao 11 eropeanina farany nataony, nahitana fandresena 9. Matanjaka amin’ny fanafihana satria nahavita namono baolina 28 tao anatin’ny lalao 8 farany nataon’izy ireo tamin’ny Ligue des champions, izany hoe 3,5 eo ny salan’isan’ny baolina isaky ny lalao. Ny PSG kosa, azo lazaina ho ekipa manan-talenta fa tsy marin-toerana amin’ny fifaninana Eoropeanina, raha toa ka manjakazaka ao anatin’ny Ligue 1. Resy in-droa tamin’ireo lalao efatra farany nataony ny PSG, anisan’izany ilay faharesena 3-1 nanoloana an’i Nice. satria nivoaka sempotra tamin’ny ampahefa-dàlana, resin’i Aston Villa 3-2, ka ny fandresena 3-1 tamin’ny lalao nandroso ihany no namonjy azy. Eo ambany fitarihan’i Luis Enrique, dia nahitana firaisankina sy fehezam-pitondran-tena matanjaka kokoa ao amin'ny ekipa. Misy mpilalao toa an’i Ousmane Dembélé, Bradley Barcola, Khvicha Kvaratskhelia izay manahirana hatrany ny fiarovan'ny mpifanandrina. Manana mpilalao manan-talenta ny PSG ary azo lazaina ho matanjaka sy afaka manao zavatra, saingy sokajiana ho manana tombony amin'ity lalao mandroso ity ny Arsenal. Andrasana izay ho voka-dalao anio !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT