Manasa-dalan’ny CHAN 2025

Hahaliana kokoa ny fihaonan’ny Barea sy Soudan


  • Talata 26 Aogositra 2025

Azo lazaina hahaliana kokoa ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina

kitra na Barean’i Madagasikara sy Soudan, izay ho tontosaina rahariva amin’ny 5 ora sasany, ora eto amintsika, ao Tanzania. Manasa-dalana voalohany amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na Chan 2025 ity io mialohan’ny fihaonana eo amin’i Maraoka sy Senegaly. Ny «Faucons de Jediane» avy atsy Soudan izay inoana fa tsy maintsy hiezaka ny hanala vela amin’ny malagasy, indrindra, taorian’ny nandresen’ny Barea azy tamin’ny isa 3 noho 0, roa taona lasa izay, tao anatin’ity Chan ity ihany. Azo lazaina hoe tsy tena mifankafantatra be ireto ekipam-pirenena miisa roa ireto saingy na izany na tsy izany dia efa nifankahita tsindraindray teny ihany. Nandresy ny soudanais tao an-tokontaniny 1 noho 3 isika ny 9 jona 2017, nandritry ny fifanintsanan’ny CAN 2019 na ny amboaran’i Afrika. Nahavita valin’ady 1 noho 3 teo Mahamasina koa nefa izy avy eo ny 18 novambra 2018. Ho antsika malagasy aloha dia hirariana ny tsy hiverenan’ny tantara toy izany rahariva. Tsy azo hamaivanina ny ekipam-pirenen’i Soudan anefa, raha jerena ny zava-bitany hatreto, tao anatin’ity Chan 2025 ity. Nanao sahala 1 noho 1 tamin’i Kongo. Nandresy 4 noho 0 be izao an’i Nizeria. Nanao sahala 0 noho 0 tamin’i Senegaly. Nanao sahala 1 noho 1 tamin’i Alzeria ary nandresy azy tany amin’ny tsotsoromamba na «Tirs aux buts». Baolina miisa 2 hatreto no niditra tanaty haratony ary isan’ireo voasokajy ho tsara fiarovan-tena indrindra ao anatin’izao fifaninanana izao. Azo antoka fa tsy ilay Soudan tamin’ny 2 taona lasa intsony, araka izany, ity rahariva ity fa tena ilàna fahamailoana tanteraka ny paikady handresena azy. Hanamafy ny fanafihana ve ny mpanazatra malagasy sa hanamafy ny ao afovoany sy ny vodilaharana? Rahariva mahita an’izay fa ny azo antoka aloha izany dia ho tombony ho an’ny malagasy raha toa ka mbola maty lolo amin’ny takaitra navelan’ilay 3 noho 0 tamin’ny 2 taona lasa ny «Faucons». Mety ho fahalemena ho antsika koa anefa ny fanamaivanana azy ireo, izay raha ny fanazavàn’ny mpanazatra malagasy Romuald Rakotondrabe kosa aloha dia tena tsy hisy izay fanamaivanana mpifanandrina izay. Izay no antony ilazàna hoe hahaliana kokoa noho ny an’i Maraoka sy Senegaly ity fihaonan’i Madagasikara sy Soudan ity ary manoloana izany rehetra izany anefa dia hoy isika hoe «Alefa Barea!» hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT