Sport

Manao asa soa ny Kung fu Vary 10 taonina no hozaraina ho an’ireo sahirana


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Hanolotra vary 10 taonina ho an’ny Malagasy sahirana ny mpikatroka kung fu, araka ny nambaran’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, ka ny 2 taonina amin’io dia hozaraina eto Antananarivo entina mitety fokontany maro ny alahady 24 janoary.

 

 Ny  14 febroary kosa no hozaraina ny vary 8 taonina ka distrika 20 manerana ny nosy no hotsinjovina amin’izany. Mpikatroka kung fu miisa 10 000 no fantatra fa nanolotra vary 1 kilao isan’olona ka nahazoana io vary 10 taonina io. Fanombohana ihany, araka ny fanazavana azo izao hetsika izao fa aorian’io dia mbola ho avy ny fifanampian’ny mpanao kung-fu sy ny vahoaka eo amin’ny lafiny fanadiovana ny tanàna, ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny asa sosialy samihafa ary ny fiarovana sy ny fanehoana ny fanoherana ny tsy rariny. Ny alahady lasa teo moa no nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny amin’ny kianja mitafo ESCA Antanimena ny fianakaviamben’ny Kung-fu ahitana ireo “style” 45 eken’ny federasionina. Fantatra ihany koa fa amin’ny volana aogositra 2016 no hanatanterahana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ity haiady ity ary efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’ny manampahefana fa tsy maintsy manana “passeport sportif” daholo ny mpanao kung fu manerana ny nosy mba hanavahana ny ara-dalàna amin’ny tsy ara-dalàna. Matetika mantsy dia avy amin’ireo “club” tsy ara-dalàna no misy fanofanana ho jiolahy sy tontakely ka tsy handefitra amin’izany intsony ny federasionina sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena ary ny mpitandro ny filaminana, araka ny fanazavana voaray ihany.


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT