Sport

Mamisoa Razafindrakoto mianakavy Manaranaka ny fitiavana baolina kitra


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Feno 46 taona omaly ny vodilaharana afovoanin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Mamisoa Razafindrakoto na Maitre Mamisoa.

 

 

 

 Ho an’ny ireo izay mahatadidy ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy dia nahatsiaro fa isan’ireo vodilaharana filamatra tao anaty ekipam-pirenena izany kapiteny Mamisoa izany kanefa tsy mba isan’ireo mpilalao nila ravinahitra tany ivelany fa teto an-toerana ihany. Nanomboka tao amin’ny FC Jirama Antsirabe ny taona 1994-1999, SOE ny 2000-2002, USCA Foot ny 2003-2006 ary Japan actuel’s FC ny 2007-2009. Nahazo medaly alimo niaraka tamin’ny ekipam-pirenena izy nandritry ny lalaon’ny frankofonia 1997 natao teto Madagasikara, Medaly volamena nandritry ny lalaon’ny nosy 1998, in-3 tompondakan’i Madagasikara ny taona 2001, 2002, 2005, mpandresin’ny fifaninanam-pirenena 2005 ihany koa. Nahazo medaly volafotsy niaraka tamin’ny ekipam-pirenena ihany koa izy nandritry ny lalaon’ny nosy 2007 natao teto amintsika ary ny lehibe indrindra dia ny nahatafitan’ny Barea sokajy zokiny tamin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny COSAFA na ny tompondakan’ireo firenena aty amin’ny faritr’i Afrika Atsimo ny taona 2008. Hita ho manaranaka ao amin’ny fianakaviany ity fitiavana baolina kitra ity satria dia mitaiza vatana amin’ny alalan’izany avokoa ireo vady aman-janak’i Mamisoa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT