Malagasy Rugby

Nomena fiofanana ireo Maki latsaky ny 18 taona


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Mialohan’ny hiatrehan’ny Maky Lahy sy vavy ny fifaninanan’ny AROI 2025 izay hatao eto

Madagasikara ny ny 20 sy 21 Aprily 2025 ao amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka, notolorana fiofanana sy fampahafantarana momban’ny « antidopage » ireo mpilalao. Teny amin’ny ivon-toeram-pampiofanana teny Andohatapenaka moa no nanaovana azy io ary ny Dokotera Felana no nitondra izany. Zava-dehibe ny fahalalan’ny mpanao fanatanjahantena rehetra indrindra ireo hiditra amin’ny sehatry ny matihanina ny antsoina hoe « dopage » sy ny ady atao aminy na « anti-dopage » na ny fampiasana zava-mahadomelina na akora simika mampatanjaka izay voararan’ny lalana mba hampitomboana hery entina miatrika fifaninanana iray. Antony andraran’ny lalan’ny fanatanjahantena azy ny fahazoan’ny athleta iray izay manao izany tombony tsy ara-drariny amin’ilay fifaninanana izay atrehany, mety hiteraka fahasimban’ilay athleta ihany koa ary manimba tanteraka ny hasin’ny fanatanjahantena ka nananganana vomiera iraisam-pirenena iray mihitsy hanaramaso sy hitsirika ireo mpanao fanatanjahantena izay mety ho manao izay. Hon’izay tratra raha ny fanazavana hatrany dia maro be ny sazy miandry, isan’izany ny fampiatoana tsy fahafahana milalao 2 volana na mandrakizay mihitsy, miankina amin’ny tranga sy ny akora nampiasaina. Ny fanesorana ny fandresena na ny zava-bitan’ilay mpilalao ary ny sazy ara-bola sy ara-pitsarana. Maro be ireo akora na zava-mahadomelina tsy azon’ny atleta ampiasaina ary tampoka no hisian’ny fitiliana ataon’ny kaomity manokana izay voatokana hanao izany. Noho izany dia mahatsapa ny teo anivoan’ny Malagasy rugby fa tena ilain’ny mpilalao malagasy ny manana fahalalana feno mbomban’izany « anti-dopage » izany satria miankina amin’izany ny hoavin’izy ireo. Marihina fa ekipam-pirenena miisa efatra dia i La Réunion, Maurice, Mayotte ary Madagasikara no mpandray anjara amin'ity fifaninanana ity.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT