Sport

Malagasy Rugby – CAN Hanome ireo kojakoja hamitana ny kianjan’i Mahamasina


  • Talata 24 Mey 2016

Hanolotra ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny famitana ny kianjan’i Mahamasina ny Malagasy Rugby izay hampiasa io fotodrafitrasa io handraisana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika sokajy B ny 12-19 jona izao, izany hoe afaka telo herinandro sisa.

Nomarihin’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel fa efa mamaramparana ny fanamboarana ireo tompon’andraikitra sy teknisianina misahana izany eny an-toerana. Ny federasiona no hamatsy ireo kojakoja ilaina ireo ary hanolotra fasika 50m3 sy simenitra folo kitapo ary zezika ho an’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra hamitana ny fanamboarana. Efa nisy ny fifampiresahana ary mbola tokony hihaona amin’ny ben’ny tanàna ny filohan’ny Malagasy Rugby mikasika azy io. “Amin’ity herianndro ity ihany dia efa hanolotra ireo kojakoja ireo ny federasiona”, hoy hatrany Rakotomalala Marcel.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT