Sport

Malagasy miatrika ny Lalaon’ny nosy Nangoron’entana ny Barea, namiratra ny mpibata fonjamby


  • Talata 23 Jolay 2019

Tsy ampy niakaran’ny Barea Malagasy amin’ny dingany manasa-dalana ny vokatra 1-1 azony tamin’ny Club M Maorisiana tao amin’ny kianja New George V ao Curepipe omaly alatsinainy 22 jolay 2019.

 

 

Voatery niditra tamin’ny  antsapaka niaraka tamin’ny ekipan’i Seychelles izy omaly takariva tao amin’ny Hotel Intercontinentale any Maorisy ka ity farany no voafidy hiatrika ny manasa-dalana miaraka amin’i Maorisy ao amin’ny vondrona A misy azy ireo.  Nifarana  teo izany ny  dian’ny Barea Lalaon’ny nosy  tany Maorisy.

Tetsy an-danin’izay kosa dia mbola namiratra indray ny atleta mpibata fonjamby Malagasy omaly ka nahazo medaly volamena 3 ihany koa i Tojonirina Andriantsitohaina zandrin’i Eric Andriantsitohaina izay efa nahazo medaly volamena 3 teo amin’ny “arraché sy “épaulé jeté” ary ny “total Olympique” sokajin-danja  -67kg ary nanamontsana zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara 2 afak’omaly alahady 21 jolay 2019. 

 

Filaharana vonjimaika ankapobeny omaly alatsinainy 22 jolay :

1°-Maurice nahazo medaly 74, volamena 26, volafotsy 26, alimo 22

2°-Madagascar nahazo medaly 50, volamena 24, volafotsy 21, alimo 5

3°-La Réunion nahazo medaly 70, volamena 21, volafotsy 20, alimo 29

4°-Seychelles medaly 35, volamena 11, volafotsy 10 , alimo 14

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT