Sport

Maitre Raux Auguste Lasa naka rivotra any ambanivohitra


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Efa salama tsara ary nivoaka ny hopitaly tamin'ny talata lasa teo i MeRaux Auguste.

 

 

 

 Avy hatrany dia lasa naka rivotra any ambanivohitra ny tenany, araka ny toromarika nomen'ny dokotera azy ary amin'ny alahady izao kosa no hiverina eto andrenivohitra. Tsiahivina fa tamin'ny sabotsy 4 aprily 2020 no niditra teny amin'ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandriana ity mpanazatra mpanampy ny Barean'i Madagasikara ity, taorian'ny tsy fahasalamana tampoka nahazo azy. Nivoatra haingana sy nihatsara ny toe-pahasalamany ka nahatonga izao fivoahana hopitaly izao. Nisaotra ireo rehetra nanampy azy moa i Maitre Raux Auguste, toa ireo filohan'ny klioba, mpanazatra sy teknisiana namana ary ny teny anivon'ny Federasiona izay tsy nanadino azy tamin'ireny ady mafy natrehany teo ireny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT