Maitre

Mihari-Ni-Rencho – taranja Karaté


  • Alakamisy 23 Jolay 2026

Neken’ny amerikanina ny maha «Tempana Mainty 8ᵉ Dan»

Mpitarika nasionaly, mpanabe, mpampiofana ary manam-pahaizana amin'ny haiady, izay voamariky ny fanolorantena tsy tapaka ho amin'ny fanompoana an'i Madagasikara, ny tanora ary ny fampiroboroboana ny soatoavina mahaolona no ahalalana izany Maitre Mihari-Ni-Rencho izany, hoy ny voambara mikasika ity teratany malagasy mampianatra haiady Karaté ity. Amin'ny maha filohan'ny antoko politika Natiora azy eto an-toerana, dia mitondra vina mifototra amin'ny firaisankina nasionaly, ny andraikitra maha olompirenena, ny fitantanana tsara, ny rariny ara-tsosialy ary ny fampandrosoana maharitra izy, hoy kosa ny tenany. Resy lahatra fa miankina amin'ny fandraisan'anjaran'ny olompirenena ny fandrosoan'ny firenena iray ka miasa izy mba hampiray ireo hery velona rehetra ao amin'ny firenena manodidina ny idealy iray momba ny fandriampahalemana, ny firaisankina ary ny fampandrosoana. Teraka ny 27 jona 1964. Nahita ny karaté hatramin'ny fahazazany ary nanomboka ny fiofanany ny taona 1974. Hatramin'izay dia nanokana ny fiainany ho amin'ny fianarana, ny fampiharana ary ny fampitàna ny Karaté Goju Ryu izy, taranja izay nahazoany ny mari-pahaizana «Tempana Mainty 8ᵉ Dan». Voamariky ny fifaninanana maro, fiofanana ary atrikasa isan-karazany ny diany, izay nahafahany nahazo traikefa ara-teknika sy ara-pedagojika matanjaka. Nanangana ny Malagasy Okinawan Goju Ryu Karate Association na MOGKA izy. Sekolin'ny fiainana ny karaté, hoy izy. Neken’ny amerikanina tamin’ny alalan’ny International Karate spirit-Samurai Kabudo Federation ao Etazonia ihany koa tamin’ity herinandro ity moa ny maha «Tempana Mainty 8ᵉ Dan» an’ity mpampianatra Karaté ity, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany,…
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT