Notokanana tamin’ny 7 martsa 2020 teo ny asa fanavaozana natao tao amin’ny « Maison de jeunes Ankilifaly »
Toliara vokatry ny fifandrimbonan’ny fikambanana FITIA naorin-dRtoa Mialy Rajoelina vadin’ny filoham-pirenena Malagasy sy ny MJS tarihan’ny minisitra Tinoka Roberto ary ny UNFRA MADAGASCAR tarihan’ny solontena maharitra eto amintsika, Atoa Constant Serge BOUNDA. Nisy ny hafatra manokana nataon-dRtoa Mialy Rajoelina ho an’ny tanora Malagasy tamin’izany dia ny hoe : « Tanora vavy sy lahy samy hanana ny maha izy azy any aoriana any sy tsy hiroso amin'ny fanambadiana aloha loatra no tanjona nanaovana an'izao rehetra izao».
«Maison des jeunes» manara-penitra sy mamaly ny filàn'ireo tanora ary mifanaraka amin'ny vanin'andro ankehitriny ity nohavaozina ao Ankilifaly Toliara ity.
Ahitana efitra vaovao izay toerana fianarana zaitra sy taovolo hanamarihana ny maha zava-dehibe ny fanampiana ny vehivavy mba ho afaka hioitra amin'ny fiainana ao amin’ity toerana ity.
Nohavaozina ihany koa ny kianja filalaovam-baolina basikety izay lasa ho «Terrain mixte» ho azon'ny taranja maro hampiasaina. Ahitana ny C@net na «Centre d’accès à l’internet» miaraka amin’ny fitaovana hari-fomba manana hafainganana « 4G »vokatry ny fiaraha-miasa ny fikambanana Fitia sy ny Orange ary Huawei koa ny toerana ihany koa ao aminy.
Tsy nohadinoin-dRamatoa Mialy Rajoelina ihany koa ireo fikambanam-behivavy any an-toerana ka notolorany milina fanjairana niisa 20 fa nifanandrify tamin’ny andron’ny 8 martsa 2020 rahateo ny fitokanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.