Sport

Mahitsy Nahazo kianja filalaovam-baolina manara-penitra


  • Alatsinainy 07 Jona 2021

"Vita hatreo ny baolina ambony vovoka. Toraka izany koa ny baolina an-tanimbary ho an'ny tanoran'i Mahitsy",

 

 

 

hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha nitokana ny Kianja manara-penitra ao amin'ny kaominina ambnivohitra ny tenany omaly Alahady 06 Jona. Efa fampanantenana nataon'ny Filoha ho an'ny tanora tao an-toerana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ity foto-drafitrasa notokanany omaly ity. Naparotaka manerana ny faritra rehetra mihitsy ny kianja manara-penitra tahaka izao mba hitovy zo ny tanora Malagasy rehetra fa tsy hitangorona eto an-drenivohitra ireo foto-drafitrasa. Miisa 33 ireo kianja manara-penitra efa an-dalam-panamboarana ankehitriny raha 31 hafa kosa no hatomboka amin'ity taona 2021 ity. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambaran'ny Filoha Andry Rajoelina ny fananganana ny "Académie Nationale des Sports de Haut Niveau". Hahazo foto-drafitrasa avo lenta ireo tanora voafantina avy amina taranja samihafa ary hampiofanina mba ho atleta matihanina. "Ny fanaovana fanatanjahantena dia mivoy ny soa toavin'ny mpandresy sy ho tia fikirizana, ny fifehezan-tena, ny firaisan-kina, ny fikatsahana ny tsara kokoa hatrany ho an'ny taranaka ", hoy ny filoha Andry Rajoelina. Anisan'ny hahazo fiofanana ao amin'ity Académie ity ihany koa ireo tanora izay handrafitra ny ekipan'ny Barea any aoriana. Nisantatra voalohany ity Kianja manara-penitra ity moa ireo tanora 14 - 15 taona izay handray anjara amin'ny fifantenana amin'ny fandrafetana ireo Barea zandriny. Naseho omaly ihany koa ireo Barea zokiny izay hiatrika fampivondronana eto an-toerana ato ho ato.

 Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT