Sport

Mahamasina Nanondrana indray ny mpijery baolina


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Nisehoana toe-javatra mahamenatra indray tetsy amin’ny Kianjan’i Mahamasina omaly, taorian’ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Tafa Stars Tanzanianina.

 Nirohotra niditra teo amin'ny kianja filalaovana ny andian'olona efa ho an-jatony rehefa vita ny lalao, izay marihina fa nisaraka ady sahala 1-1. Tsy dia nisy antony hoe inona fa dia nirohotra, nisy nisaoty fefy mihitsy raha ny tazana tao anatin'ny sary sy ny horonan-tsary. Maika hivoaka ve ka tsy nanaja ny fandaminana sa mba te hanitsaka ilay "gazon" manara-penitra. Nanimba zavatra indray anefa ny mpijery baolina Malagasy noho ny fihetsika sy fihetseham-po tsy voatandrina, toa mba tsy mba mahay mikolo sy mitia zavatra tsara, ka indraindray manaonao foana. Eo ny fanimbana, fa ny mety ho faharatrana sy korontana mbola zavatra hafa. Toe-javatra tsy ampoizina ny fisiana fihetsika tahaka ireny noho ny antony samihafa : tsy fahafaham-po amin’ny vokatra, hafaliana, hatezerana,… izay efa tokony hiomanan’ny manam-pahefana isan-tsokajiny foana. Sanatrian’ny vava manome rariny ireo olona nanaonao foana, fa mety hiseho foana ny toe-javatra toy ireny izay tsy eto amintsika ihany fa fahita avy any ivelany, saingy ny fisorohana sy ny paikady hiatrehana azy no mila hentitra sy matihanina. Fa taiza anefa ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro filaminana ? Na inona na inona mety ho antony sy ambara, dia manala baraka ny firenena mihitsy ny tranga tahaka izao ary mety hitera-doza, ka mila fitandremana amin'ny manaraka. Asa aloha izay mety ho fanasaziana avy amin’ny Kaonfederasionina Afrikanina (CAF) na koa ny Federasionina Iraisam-pirenena (FIFA)? Soa fa taorian’ny fahavitan’ny lalao no nisehoan’ny toe-javatra, fa raha tao anatin’ny mbola nandehan’ny lalao no tena manahirana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT