Sport

Mahamasina Dia ho matimaty foana ve ?


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Nampivarahontsana ny nahita an’ireo Malagasy mpiray tanindrazana namoy ny ainy sy ny naratra vokatry ny fifanosehana hiditra ny kianjaben’i Mahamasina

 

 

 nialoha ny lalao nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Senegaley omaly satria olona iray no namoy ny ainy, ary 46 naratra ka ny 2 miady amin’ny fahafatesana, raha ny vaovao faramparany azo omaly. Tovolahy antsoina hoe Harilanto, 23 taona monina eny Antohomadinika, ary mbola mpianatra io maty io. Ny 25 tamin’ireo naratra no voatery natao fitarafana, ary nisy kosa ny vitsivitsy efa nody. Nifamahofaho be ihany ny antontanisan’ireo niharan-doza noho ny fipariahan’ny sary samihafa nampivarahontsana tamin’ny tambajotra fesiboky,... saingy iray izany no ofisialy hatramin’ny fiarafaran’ny tolakandro. Raha ny zava-nisy, nanomboka vao maraina no nitomandavana ny filaharan’ny mpijery baolina na ny nanana tapakila na ny tsy nanana, izay nisy ihany koa ny fikorontanana momba izay tapakila, izay nambara fa tsy tamin’ilay laharana. Hatreny amin’ny tonelina Ambohidahy sy tany amin’ny sisin-tambohon’ny Kolejy Masindahy Misely ny filaharana. Nahery vaika ny fifanosehana hiditra ny vavahadiben’i Mahamasina ka vaky ny vavahady, ka nisy ny tafiditra. Tao anatin’izay no nanao fanairana tamin’ny alalan’ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana nanaparitahana ny olona, ka nanampy trotraka ny fifanosehana sy fikoropahana, nisian’ireo lavo sy voahitsakitsaka teo amin’ny tratra, loha, kibo,… ka niampatrapatra teo ireo torana sy naratra, izay vokatry ny lakrimozenina ny sasany. Tonga nijery ireo niharam-boina teny amin’ny hopitaly HJRA ny filoham-pirenena mpisolo toerana Rivo Rakotovao, niara-dalana taminy ny minisitry ny fahasalamana,  fiarovam-pirenena, ny angovo. Niondrika am-panajana eo anatrehan’ny voina niseho i Rivo Rakotovao, ka nampananantena fa hiantohan’ny fanjakana ny lany ho an’ireo namoy ny ainy sy ny fitsaboana ireo naratra. Niatrika ny lalao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izy avy eo. Nisy ihany koa ireo kandida filoham-pirenena sasany toa an’i Marc Ravalomanana, Fanirisoa Ernaivo, Jean Omer Beriziky,… tonga nampahery ireo tra-pahavoazana. Tsy fitia te hanakiana be fahatany fa vokatry ny fikarakarana petatoko no anton’ireny loza ireny. Na fiara mpamonjy voina aza toa tsy nahitana firy tetsy Mahamasina, ka ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana no namatrarana ireo naratra. Tsy misy resaka fanokafana fanadihadiana aloha hatreto ka ho matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka toy ireo tranga nahafatesana olona efa nisy anatin’ny 5 taona lasa, toy ny tamin’ny 25 janoary 2014 hatrany ve ity raharaha ity ? Ny FMF (Federasionina Malagasin’ny baolina kitra) mahaleotena tsy misy idiran'ny fanjakana velively. Nandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana tonga dia namangy ireo tratran'ny voina fa mino izahay fa tsy maintsy misy fepetra horaisina momba ny FMF sy ny andraikiny, hoy ny Fiadidian’ny Repoblika toa tsy te hiditra lalina. Hisy tompon’andraikitra hizaka ny saziny sa hoboriboriana amin’ny hoe: efa mandeha ny fanadihadiana izay tsy hisy tohiny ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT