Sport

Mahajanga Hamboarina ny “gymnase”


  • Zoma 29 Janoary 2021

Nivory tao amin'ny Résidence Mahajanga Be momba ny fanamboarana ny

 

 

 

Gymnase ao Mahajanga ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny Filoha lefitry Antenimieram-pirenena Rahantanirina Lalao sy ny Mpanolotsaina manokan'ny Filohan'ny Repoblika, Atoa Ravatomanga Mamy ary ny governoran'ny Faritra Boeny Atoa Mokhtar Salim Andriatomanga, hoy ny fampitam-baovao. Tapaka nandritra ny fivoriana io fa tsy ho kitihina ny kianja Rabemananjara fa hatsaraina ka hatao akaiky eo ihany ny kianja filalaovana tennis manara-penitra manamorona ny làlana misy "trois courts" ho an'ny Tennis Club de Mahajanga. Isan’ny resaka nandeha tamin’ny famindrana ny Kianjan’ny Tennis moa ny hoe lasana mpandraharaha matanjaka ny toerana. Miroso amin'ny fanamboarana ny Kianja mitafo izay hanomboka amin'ny herinandro ambony ka ho hafainganina ny fanamboarana ary ho afaka handray an'ireo taranja sasany amin'ny lalaon'ny Nosy andiany faha -11 amin'ny taona 2023 ny faritra Boeny, hoy hatrany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tsara ny mampatsiahy, fa efa ela no nandrodanan’ny Fanjakana ankehitriny ny “Gymnase”, ary izao vao handeha izany ny fananganana. Nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny dobo filomanosana olympika ao Ampisikina ihany koa ireto delegasiona ireto. Nambara fa raha ny vinavina dia ho vita amin’ny volana Septambra ny asa. Noho ny fisian’io dobo filomanosana, dia afaka hifaninana tsara amin’ny any ivelany amin’izay ny zanaka Malagasy satria afaka manao fanazarantena mandavan-taona, hoy i Tinoka Roberto. Nifarana teny amin’ny Quai orange ny fitsidihana izay nijerena ny fizotry ny asa fandrakofana “pavé” iny faritra iny, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT