Sport

Mafibe No Drug – Ong Ny Sahy Ny Rca Ambatobe no nandroaka ny omby


  • Talata 10 Aprily 2018

Ny ekipan’ny Rca avy eny Ambatobe tamin’ireo ekipa 8 nandray anjara (Ajs Tsarahonenana, As B52 Ankadindramamy, As Jayah Ambanivato, Ass Soamanandrariny, Cousin Sports Ambohimahitsy,

Kfa Analamahitsy, Rca Ambatobe ary ny Scb Besarety) no nandroaka ny omby natolotry ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny amboara kalisy lehibe tamin’ny fifaninanana  baolina kitra Mafibe No Drug nokarakarain’ny Ong Ny Sahy notanterahina teny amin’ny kianja Enam Androhibe ny alahady 8 aprily tontolo andro. Resiny tamin’ny Tirs au but 4-2 ny Ass Soamanandrariny teo amin’ny lalao famaranana rehefa nisaraka ady sahala 1-1 ny roa tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna 25 minitra in-droa niditra. Tonga nanotrona ka nanokatra an’ity famaranana ity sy nanolotra ny amboara tamin’izany ny SG-n’ny Cicld rantsamangaikan’ny Primatiora, ny jeneraly Hama Dimby. Nomarihan’Atoa Ramamonjisoa Haja filohan’ny Ong Ny Sahy fa lalao Mafibe noforonin-dry zareo tamin’ny taona 1999 dia natokana hotanterahina 1 andro ihany tsy an-kiato ka mila tanjaka sy fiomanana tsara eo amin’ny mpilalao, araka izany. Isaorana, hoy izy, ireo nanaparitaka an’ity hetsika ity nanerana ny nosy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT