Sport

Madagasikara tafita ho any Cameroun


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Nilaza ny heviny i Dupuis mpanazatra sy Ima kapiteny ary i Gothlieb Hevitry ny olona 3 teny Vontovorona ihany no atolotra anao amin’izao fahatafitan’ny Barea hiatrika ny CAN andiany faha-32 izao.

 

 

 

 

René Dupuis mpanazatra ny Barea

 

\« Faly satria tratra ny tanjona dia ny hahatafita ny Barea hiatrika ny CAN 2019 ka hisaorako ireo mpilalao nanao ny ainy tsy ho zavatra fa nody ventiny ny ezaka nimasoana tao anatin’ny 2 taona sy tapany niarahana. Hisaorana koa ireo mpijery nankahery hatramin’ny farany. Mitohy toy ny mahazatra ny fanomanan-tena amin’ny lalao manaraka na dia efa tafita aza fa tsy hatao ambanin-javatra mihitsy ».

 

 

 

Faneva Ima kapitenin’ny Barea

« Misaotra sy midera indrindra indrindra ny mpanazatra René Dupuis nanampy tamin’ny fahatongavana amin’izao tanjona izao. Misaotra ny mpijery rehetra ihany koa tamin’ny fanohanana nataony hatramin’ny farany. Faly satria tontosa ny fanambinay 5 mirahalahy anisan’ny ela indrindra tao amin’ity Barea ity (Bolida, Voavy Paulin, Carolus, Bapasy Pascal ary izaho Faneva Ima) dia ny hametraka tantara eo amin’ny baolina kitra Malagasy ».

 

 

Gothlieb mpanentana

« Fahombiazana ho an’ireo mpilalao ny nahatafitana hanao CAN fa tsy fahombiazan’ny mpitantana ny Caf sy mpitantana ny Fmf sanatria. Hiangaviako ireo mpankafy baolina kitra rehetra hanao ezaka handehanana ho any Cameroun hanohana mivantana ny Barea fa izaho aloha izao dia efa hanomana vatan-drakitra hanangonako vola hiatrehana an’io fihaonana goavana io ».

 

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT