Sport

Madagasikara≠Niger Mpijery 1500 no afaka hanatrika


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Mpijery miisa 1500 no afaka hanatrika ny lalao hihaonan'ny Barea sy ny ekipan'i Niger any Toamasina ny 30 martsa,

 

 

 araka ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny fanatanjahantena omaly. Arakaraka ny fivoaran'ny zava-misy anefa izany, fa izay aloha ny vokatra azo noho ny fisiana fifandresen-dahatra niarahana tamin'ny CAF. Nasiana fanatsarana isan-karazany ny Kianja, ka anisan'izany ny fametahana ireo seza fipetrahana izay anisan'ny takian'ny CAF. Mahakasika ny mpijery indray, mba ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana dia voafetra amin’io 1.500 io. Etsy ankilan'izany dia nisaotra ny fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny fanatanjahantena ny mpanazatra nandritra satria tsy nandry andro tsy nandry alina izy ireo amin'izao fanomanana izao, hoy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis. Anisany nampisafotofoto ny sain'ny malagasy ny mahakasika ny tsy fahafahan'ireo mpilalao sasany ho avy hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Barea noho ny antony avy amin'ny klioba izay tsy namela azy ireo, saingy nampahafantarina ny fahafahan’ny ankamaroan’ny mpilalao tamin’ny ora farany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT