Madagasikara≠La Réunion

Valin’adin’ny 2007, hiverina ny sary tamin’ny 30 taona lasa…


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nazava ny làlana ho an’ny Barean’I Madagasikara omaly nanoloana an-dry zareo Kaomorianina, teo amin’ny lalao

manasa-dàlana ho an’ny baolina kitra ao anatin’izao Lalaon’ny Nosy izao. Nivoaka nandresy tamin’ny isa mazava 4-2 isika, ka tao anatin’ny 4 minisitra voalohany monja no nanakobanan’I El Hadary sy Tendry ny mason’ny haraton’ny Kaomorianina. 2-1 anefa no nisaharahana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany satria nahavita nampihena ny elanelana ny mpifanandrina teo amin’ny minitra faha-18. Mbola nanampy isa iray avy hatrany izy mirahalahy tamin’ny fizaram-potoana faharoa, raha toa ka tsy nahatafiditra afatsy iray ny Kaomorianina, ka dia nazava ny làlan’ny Barea, izay hita ho nivoatra hatrany raha mitaha ny lalao nanoloana an’I Seychelles y Maorisy. Miverina ny sary tamin’ny famaranan’ny Lalaon’ny Nosy 2007 satria nandavo ny Maorisianina tarihin’ilay mpanazatra teratany Malagasy Fidy Rasoanaivo ny Réunionais! Nitarika 2-0 ny ekipan’I La Réunion, ka tsy voahenjika intsony na nanao totoafo aza ny Maorisianina, hany ka 2-1 no nisarahana. Latsa-dranomaso mihitsy ny Mpanazatra Fidy Rasoanaivo izay tena nanomana mafy ary nikendry medaly volamena, saingy akory atao, fa dia any amin’ny fiadiana ny medaly alimo manoloana an’I Kaomoro sisa no ahafahany manarina, na dia niandrandra aza ny mpitia kitra fa izy ireo no tokony hanao famaranana amintsika sady mba lalao miverin’ny lalaom-bondrona izay nisaraka 1-1. Boribory ny baolina, ka hiverina hifandona eo amin’ny famaranana I Madagasikara sy La Réunion 16 taona aty aoriana. Raha tsiahivina dia nofy ratsy ho an’ny Malagasy ny famaranana tetsy Mahamasina ny 18 aogositra 2007, izay niafara tamin’ny “tirs au but” ny lalao, ka tsy matin’I Dola ny daka farany ho antsika Malagasy. Valin’ady io ho an’ny Malagasy, izay hiezaka hamerina ny fandrombahana ny medaly volamena. Efa 30 taona lasa mantsy no nandrombahantsika izany farany tamin’ny Lalaon’ny andiany faha-4 ny taona 1993 tatsy Seychelle, izay I La Réunion no resintsika 1-0 tamin’izany. Amin’ny alahady izao amin’ny 7ora hariva ny famaranana, izay tena andrasan’ny maro!
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT