Sport

Madagasikara≠Ghana Mafy ny mpifandrina, vonona ny Barea


  • Talata 31 Mey 2022

Ora sisa isaina, dia hiakatra an-kianja ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2023. Hifandona amin’ny Black Stars an’i Ghana any Accra ho an’ny lalao voalohany rahampitso 01 jona 2022.

Efa tonga any an-toerana ny ankamaroan’ireo ankoatra an’i Paulin, Amada, Arnaud, ary Rayan izay teny an-dàlana omaly. Efa nitsapa kianja sy nanao fanazaran-tena kosa ireo efa any an-toerana. Efa nivoaka ihany koa ny lisitry farany ho an’ireo mpilalao izay miisa 24, ka ny 9 avy eto an-tanindrazana, ary ny 15 kosa mpila ravinahitra avy any ivelany. Ireto avy ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena: Mpiandry harato: Mathyas, Nina, Melvin. Vodilaharana: S. Ouassiero, Mombris, Berajo, Dorian, Tantely, Mamy Gérvais, Théodin, ary i Avizara izay isan’ireo mpilalao mamiratry ny Fosa Juniors. Ho an’ny eo afovoan-kianja kosa dia i Lapoussin, Amada, Rayan, Lalaina, Rojolalaina, Bastien, Dax. Eo amin’ny fanafihana kosa no misy an-dry Njiva, Paulin, Tsilavina, Fabrice, Arnaud, ary i Julio Donisa mpilalaon’ny Le Mans FC any Frantsa isan’ny anarana vaovao mandrafitra ny ekipam-pirenena. Tamin’ny ora farany kosa no nahafantarana fa tsy isan’ireo mpilalao hiatrika ny lalao i Carolus, izay voalaza fa maratra. Miisa 6 izany ireo mpilalao voasokajy ho isan’ny andrin’ny Barea tsy ho hita any Ghana dia i Abel Anicet izay nanambara fa tsy hilalao ao anatin’ny ekipam-pirenena intsony, Thomas Fontaine, Fabien Boyer, Romain Metanire, Marco Ilamaharitra, ary i Carolus. Ho mafy ny lalao satria isan’ireo ekipa goavana aty Afrika ny Ganeanina, izay ao anatin’ny Vondrona E ahitana an’i Madagasikara, Angola, Centrafrique. Marihina fa faha-102 maneran-tany ary faha-22 aty Afrika i Madagasikara, araka ny filaharana farany ny 31 martsa 2022. Faha-60 maneran-tany ary faha-11 aty Afrika kosa i Ghana, izay efa nandrombaka ny CAN in’efatra (1963, 1965, 1978, 1982, ary nanao famaranana betsaka indrindra satria hatramin’ny 2014 dia im-balo niatrika izany. Iray amin’ireo 5 solontena Afrikanina hiatrika ny Mondial 2022 any Qatar. Azo resena tsara ihany koa anefa raha ny vokatra azon’izy ireo tamin’ny CAN 2022 farany teo satria raraka teo amin’ny fiodinana voalohany, ary isan’ny nanamarika izany ny nandresen’i Kaomoro azy ireo 3-2. Rahha tsiahivina fa ny taona 2015 dia nahintsantsika tamin’ny ampahefa-dàlana satria resy 2-1 ny Ganeanina tamin’ny Cosafa Cup tamin’izany. Lesoka ho antsika ny fanomanan-tena saingy irariana mba ho hitan’ny mpanazatra ny vahaolana. Na teo aza ny tsy nahafahana nanao fanomanan-tena sy fampivondronana na koa lalao ara-pirahalahiana, dia irariana ny hahazoan’ny ekipam-pirenena vokatra tsara ao anatin’izao lalao izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT