Madagasikara≠Ghana

Kihon-dalana lehibe, mila mandresy ny Barea…


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Tsotsorimamba hisarahana ny an'ny Barea sy ny Kintana Maintin’i Ghana anio any Maraoka.

Izay mandresy eto no mety lasa fa mila mitazona sahala an’i Mali. Raha ilay faharesena tany amin'ny fotoana fanampiny iny no jerena dia tena tokony ho zakan'ny Barea tsara na dia maro aza ireo mpilalaon’i Ghana no any Angletera no misehatra toa an'i Jordan Ayew izay mpanafika Leceister. Fa ny rindrina dia i Thomas Partey ao amin’ny Arsenal. Eo koa anefa I Mohamed Kudis ao amin’ny Whest Ham izay namono ny baolina tokana nanoloana ny Barea. Inoana anefa fa efa hitan'i Corentin Martins ny fomba filalaony. Ny somary olana kely dia tsy mijoro i Rado taorian'ny karatra mavo roa. Io Ilany havia io anefa no tena mahamafy ny Ganeanina satria ao daholo na Kudis na ilay mpilalao ao amin'ny Athletic Bilbao Inaki Williams. Izay alehany na hampijoro an'i Mathieu Acapandie mpilalao ao Nantes izay mbola zandrikely ka mety tsy ahatanty ny rodorodo ataon'ny Black Stars. Rehefa tsy izy anefa dia I Tony Elgeco izay matetika eo ampovoany ny tena voafehiny fa tsy sisiny toa io. Ny vaovao tsara aloha dia tafaverina eo afovoany i Marco Ilaimaharitra hameno ny rindrina voalohany miaraka amin'i Clément Couturier. Rayan sy Arnaud ary Warren Caddy izany no mitarika ny fanafihana miampy an'i Loic Lapoussin izay mety efa tafaverina amin'ny heriny. Raha io aloha no firafitry ny Barea dia antenaina fa ho tsara ny vokatra.
Clément RABARY


Tsy manan-tsafidy, ary tsy dia any amin’ny kajikajy isaky ny lalao intsony ny tena mikaonty, fa mila mitady fandresena hatrany any amin’ny rehetra hatramin’ny andro fahafolo. Amin’izao mialohan’ny lalao fahaenina izao mantsy, mitana ny laharana voalohany amin’ny isa 12 I Ghana, faharoa manana isa 10 isika, fahatelo i Comores manana isa 9, Mali isa 8, Centrafrique isa 4, ary Tchad tsy manana isa fa 0.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT