Sport

Madagasikara ≠ Côte d’Ivoire Vonona ny Barea, hivantana amin’ny TVM ny lalao


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Sasa-miandry ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire rahampitso alakamisy 12 novambra 2020 manomboka amin’ny 7ora hariva eto Madagasikara.

 

 

 

 Saika efa tonga any Abidjan ny ankamaroan’ireo mpilalao, ankoatra an’i Abel Anicet izay voan’ny covid-19, Njiva noho ny fahasahiranana amin'ny fiverenany any Thailande izay tsy maintsy manao fihibohana. Tsy handray anjara amin'ny lalao miverina any Toamasina i Lalaina Nomenjanahary (Bolisa). I Dax, Carolus, ary Amada no nandrasana omaly ary efa tonga ny takariva ireo roa voalohany. I Metanire izay tonga tao Frantsa omaly ary nihazo an’i Abidjan, rehefa nisidina avy any Etazonia kosa no nandrasana farany omaly. Nifantoka betsaka tamin’ny fanazaran-tena sy fampahafantarana ny programa ny mpilalao sy ireo delegasionina omaly, ary nisy ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitry ny kitra Ivorianina. Hitohy anio ny fanazaran-tena sy ny fitsapana ny Kianja Alassane Ouattara hanaovana ny lalao. Azo lazaina ho vonona tanteraka ny Barean’I Madagasikara amin’ny lafiny fiomanana sy ny morally. Ho an'ny Ivorianina kosa dia mpilalao 3 avy ao Italie no voatazon'ny kliobany noho ny covid-19 dia I Christian Kouamé (Fiorentina), Akpa Akpro (Lazio de Rome), ary Jérémie Boga (Sassuolo),…

HANDEHA MIVANTANA AMIN’NY TVM NY LALAO

Araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly, dia handeha mivantana ao amin’ny haino aman-jery TVM ny lalao rahampitso, ary irariana mba ho tahaka izany ihany koa ny lalao miverina hatao any Toamasina ny 17 novambra. Azo lazaina ho manana herijika ahazoana vokatra tsara ny ekipam-pirenena Malagasy raha ny filaharana ao anaty vondrona sy ny fahavononana hita nandritry ny fanazaran-tena omaly no jerena. Tsiahivina hatrany fa isa 4, izany hoe fandresena tokana sy sahala tokana sisa dia ampy hahatafita ny Barea.

Toky R sy J.Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT