Sport

Madagasikara ≠ Côte d’Ivoire Ora sisa isaina, valin’ady goavan’ny Barea…


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Ora sisa isaina, dia ho raikitra ny lalao goavana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ao amin’ny Kianja Alassane Outtara ao Abidjan anio 12 novambra 2020 amin’ny 7ora hariva ora Malagasy, andro fahatelo amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2022.

 

 

 

 Vonona tanteraka ny ekipam-pirenena Malagasy, izay mpilalao 2 tamin’ireo nantsoina ihany no tsy afaka, dia i Abel Anicet sy Njiva. Efa tonga avokoa ireo mpilalao roa nandrasana farany, dia i Romain Metanire sy Ibrahim Amada. Mafana ny “ambiance”, ary nahazo volon-tany sahady ry “Mathyas Randriamamy” sy ry “Loic Lapoussin”, izay voaantso voalohany handrafitra ny ekipam-pirenena. Vonona tanteraka amin’ny lalao anio sy ny 17 novambra ny ekipam-pirenena, izay ahafahantsika manao valin’ady ny lalao roa miantoana. Miombom-po tanteraka amin’ny Barea ny Malagasy.

NANDRESY IN’EFATRA

 Isika Malagasy no manao valin’ady amin’ireo lalao roa goavana hatao. Ambony ny herijika ho antsika satria tena nivoatra tanteraka ny ekipam-pirenena nanomboka tany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2020. Raha hiverenana kely ny tantara tao anatin’ny fihaonana 5 farany nifanandrinan’ny roa tonta, dia nanatombo tamin’ny fandresena 4 ny Ivorianina, ary ady sahala ny iray: Ny 7 aogositra 1987 dia resy 4-3 isika tamina lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena; resy 3-0 ny 24 martsa 2007 fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN tahaka izao, ary tamin’io ilay nahatongan’I Didier Drogba tetsy Mahamasina; mbola resy 5-0 indray ho an’ny lalao miverina tamin’io ny 8 jona 2007; ady sahala 0-0 ny lalao tafiditra tamin’ny fifanintsanana taty Afrika hiakarana amin’ny Fiadiana ny tompondaka eran-tany ny 8 jona 2008. Resy 3-0 isika ny 11 oktobra 2008 ho an’ny lalao miverina. Raha ara-taratasy dia manatombo ny Ivorianina izay faha-61 maneran-tany ihany koa, raha faha-90 kosa I Madagasikara, ary alohantsika ihany koa izy aty Afrika. Samy raraka teo amin’ny ¼-dàlana tamin’ny CAN 2020 tany Egypte. Maozatra ny Ivorianina, ary efa niatrika fiadiana ny Tompondaka eran-tany, saingy vonon-kanonto sy handavo azy ny Barea, izay voalohany vonjimaika manana isa 6 ao anatin’ny Vondrona K, raha faharoa manana isa 3 avy I Côte d’Ivoire sy Ethiopie, ary fahatelo I Niger.

IVORIANINA 6 TSY TONGA …

Mpilalao 6 tamin’ireo 26 nantsoina no tsy afaka, fa tazonin’ny Kliobany any Eoropa, ka voatery niantso 4 vaovao ny Ivorianina. Hatramin’ny omaly, mbola tsy nanaiky ny hilalao I Wilfried Zaha ilay mpilalao mamiratra ao amin’ny Crystal Palace Divizionina voalohany Anglisy, ary naneho ny alahelony ny mpanazatra Patrice Beaumelle. Isan’ny antenain’ny Ivorianina mafy anefa izy. Hiatrika ny fahaterahan’ny zanany faharoa no antony. Efa nisy fotoana nilaza izy, fa ny iray amin’ny lalao roa hifanandrinan’ny Elefanta sy ny Barea no handraisany anjara, saingy tsy dia mety amin’ny fijerin’ny mpanazatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT