Madagasikara ≠ Comores

Miandrandra fandresena avy amin’ny Barea ny Malagasy anio


  • Zoma 07 Jona 2024

Hiaka-tsehatra atsy Afrika Atsimo ny Barean’i Madagasikara anio 7 jona amin’ny 07 ora

hariva ora Malagasy, ka hifampitady amintsika ao anatin’izany i Comores izay mitana ny laharana voalohany vonjimaika amin’ny alalan’ny isa 6. Ny 11 jona amin'ny 4ora tolakandro kosa no hidona amin'i Mali ny Barea. Lalao izay marihina fa handeha mivantana amin’ny TVM avokoa. Tsy manan-tsafidy isika, fa mila mandresy amin’ireo lalao roa ireo raha te hanana herijika tsara kokoa. Hatreto mantsy, eo amin’ny laharana faha-4 vonjimaika manana isa 3 isika ao anatin’ny Vondrona I, raha toa ka i Comores no voalohany manana isa 6, Mali no faharoa manana isa 4, Centrafrique izay efa nahavita izay vao avy nandresy 1-0 an'i Tchad afak’omaly teo amin'ny andro fahatelo no fahatelo vonjimaika, faha-5 i Ghana manana isa 3, ary faha-6 i Tchad tsy manana isa, ary ity farany no nahazoantsika ny isa telo tany amin’ny andro faharoa izay resintsika 3-0, raha toa ka lavon’i Ghana 1-0 kosa isika tamin’ny andro voalohany. Manan-danja lehibe ho an’i Madagasikara noho izany ny fifandonana amin’i Comores, izay efa nandrasan’ny maro hatry ny ela, ka andrandrain’ny Malagasy ny hahazoana fandresena na heverina ho manatombo aza ny Kaomorianina raha ny vokatra efa azony. Tokony ho natao teto Madagasikara ny lalao, saingy tsy nahazo fankatoavana ny Kianjan’ny Barea, kanefa heverina fa vao mainka hampiakatra ny hambom-pon’ny ekipam-pirenena izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT