Sport

Madagasikara ≠ Bénin Mpijery 10 000 no neken’ny CAF


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Mazava ny resaka momba ny Kianja Barean’i Mahamasina sy ny lalaon’ny hifanandrinan’i Madagasikara sy Bénin rahampitso alakamisy manomboka amin’ny 7ora hariva.

Nahazo fankatoavana na “homologation” ny Kianja Barea Mahamasina, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo iraky ny CAF miisa 3 nahitana ny Talen’ny Notarihin’ny Talen’ny fifaninana, Talen’ny fampandrosoana, Talen’ny Filaminana. Notsirihina ny anatiny sy ny ivelan’ny kianja, hatramin’ny madinika indrindra. Nisy tamin’ireo iraky ny CAF ireo no efa nandalo teto Madagasikara talohan’ny fanamboarana sy fanovana, ka gaga sy talanjona tamin’ny fiovana. Naneho fa tena nisy ny fanovana lehibe nentina. “Resy lahatra ireo “inspecteurs” an’ny CAF fa tena fotodrafitrasa tena manara-penitra, ary nandoka mihitsy izy ireo. Rehefa notohizana ny fanadihadiana, dia nandefa fehin-kevitra ny “inspecteurs” telo mirahalahy, ka am-pifaliana no hilazana amintsika Malagasy iray manontolo fa nekena hanaovana ny lalao amin’ny 2 septambra ny Kianja Barea Mahamasina”, hoy ny fanambaran’ny Minisitry ny fanatanjahantena Mamod’Ali Hawel omaly hariva. Nanamafy ny ambarany fa fisiana taratasy nankany amin’ny CAF sokajiany ho gafy nataon’ny Federasionina ny Minisitry ny fanatanjahanatena. Voalaza fa niresaka manokana tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny FIFA kosa ny Fanjakana, ary niafara tamin’ny fandefasana iraka hanao fitsirihana ny kianja, ary izao niafara tamin’ny fankatoavana tanteraka ny kianja. Niova ihany koa ny Fijerin’ny CAF nilaza fa tsy azo hatrehina na “à huis clos” ny lalao, izay nandefa taratasy tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny FMF ny 27 aogositra teo anatrehan’ny fangatahana hisiana mpijery miisa 1500. Nisy mihitsy ny fampitandremana tamin’io, fa hiteraka sazy ny tsy fanajana izany. Niova tanteraka ny resaka 48 ora tsy hanombohan’ny lalao satria nambara omaly ihany koa, fa mpijery 10 000 no eken’ny CAF ho afaka hanatrika ny lalao hotanterahina rahampitso 02 septambra izao. Marihina fa mahazaka 40 000 eo ity kianja ity amin’izao. Mazava izany iny resaka iny, saingy mbola tsy tapitra hatreo kosa ny lonilon’ny Fanjakana sy ny FMF, ary hita taratra io tamin’ny fanambaran’ny manam-pahafena omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT