Sport

Madagasikara≠Bénin Mety hivantana amin’ny TVM ihany ny lalao


  • Talata 31 Aogositra 2021

Nambaran’ny pejim-baovao iray omaly, fa afaka ny hijey mivantana ny lalaon’ny Ekipam-pirenena Malagasy sy ny Ecureuils-n’i Bénin ny vahoaka Malagasy ny 2 septambra lasa teo,

 raha toa ka mbola baraingo ny ahafaha-manatrika mivantana ny lalao. Nilaza io pejim-baovao io araka ny loharanom-baovaony fa dia afaka hisitraka io lalao io amin’ny TVM ny Malagasy. Voalaza fa manana ny fahazoan-dàlana hampita ny lalao ny fahitalavi-panjakana, saingy tsy miantsoroka ny tan-tsoroka ara-teknika amin’ny fakana sy fampitana ny sary avy eny Mahamasina fa mandray ny avy eny sy mampita fotsiny. Tsiahivina fa nandritra ny lalao tany Toamasina tamin’ny lalao farany nifanandrinantsika tamin’I Niger teo amin’ny andro farany niadiana ny fiakarana amin’ny CAN 2021, dia afaka nandray ny sary sy nampita izany ny TVM. Raha ny nambaran’ny Filoha lefitry ny FMF, Alfred Andriamanampisoa tao amina fahitalavitra iray moa omaly hariva, dia anio talata no ho fantatra ofisialy ny ahafahantsika misitraka ny lalao hivantana amin’ny TVM na tsia, ka dia irariana ny hanambarana ofisialy, fa azon’ny Malagasy jerena ny lalao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT