Sport

Ludovic Ajorque Miandry hantsoina ho Barea


  • Zoma 09 Aogositra 2019

"Nanamafy ny raiko fa manana razambe malagasy ny ao amin'ny fianakavianay. Raha toa ka tsy nandray anjara tamin'ny CAN aho dia misy fotoanany ny zava-drehetra.

 

 Ny tokony hofantatrareo dia tsy niantso ahy nivantana ny mpanazatra Barea. Nangataka tamin'i Thomas Fontaine izy mba hiresaka amiko. Ny mpilalao tsirairay dia miezaka mafy mba handray anjara amin'izany lalao goavana izany." Mbola naverin’ilay lohalaharan’ny ekipa divizionina voalohany ao Frantsa, RC Strasbourg, Ludovic Ajorque, indray io fehezanteny io, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny mety hanekeny na tsia hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara. Araka izany, miandry hantsoin’izay mpanazatra manaraka ny Barea zokiny sisa ity irakiraka mpanafika namiratra nandritry ny taom-pilalaovana faran’ny Ligue 2 frantsay ity. Heverina fa efa azo raisina ho fiaikeny ny tenany ho Malagasy ity fanambarany ity ka miandry ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra izy sisa. Lasa baraingo tampoka indray moa ankehitriny hoe mbola ilay tekinisianina Frantsay, Nicolas Dupuis, ve no hanohy ny tantara sa tsia ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT