Sport

Lova Ramisamanana “Mampalahelo sy maha tezitra ny fanomanan’ny Barea”


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Ekipam-pirenena tody tany amin’ny ampahefa-dalan’ny CAN 2019 isika, hoy ny filohan’ny fikambanana, Alefa Barea, Lova Ramisamanana, naneho ny alahelo sy atezerany manoloana ny fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ny CAN 2022.

 

 

Tsy sanatria fanamaivanana ny ekipa divizionina voalohany atsy Luxembourg sy ny asa nataon’ny namako, Justin Randriatsoaray, izay efa manao izay azony atao hanampiana ny Barea fa mba mila fanomanana mendrika kokoa isika. Tsy toy izao mihitsy no tokony hanomanana fihaonana amin’I Cote d’Ivoire. Efa ao Luxembourg ihany, maninona raha mba manasa ireo firenena mifanolo-bodirindrina ao toa an’i Suisse, Autriche, Pays bas, Pologne, sy ny maro hafa? Mba manana ambom-po, hoy hatrany ny tenany. Resaka 50.000 Euros ve no hilalaovana ny ekipam-pirenena? Sarotra ho an’ny federasionina sy ny fanjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka tany amin’ny CAN ve ny hiara-kiasa? Tena mampalahelo sy maha tezitra, hoy izy, saingy soa ihany isika fa efa manana fandresena miisa 2.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT