Sport

Lova Ramisamanana ho filohan’ny FMF Barea hiatrika ny Mondial 2026 any Amerika no tanjona


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Na dia tsy fantatra aza ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny FMF “Federason’ny Baolina Kitra Malagasy”

 

 

 tokony hatao amin'ny 27 oktobra fa mbola  nahemotra amin’ny fotoana manaraka indray dia efa niroso tamin’ny famelabelarana ny  fandaharan’asany tamin’ny mpanao gazety nantsoiny  nitafatafa taminy tetsy amin’ny Skate Parc Antanimena, omaly talata 9 oktobra, ny voatonona fa ho kandida iray amin’ireo 9 efa nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny FMF Isoraka dia Atoa Ramisamanana Lova. Nambarany tamin’izany fa ny Barean’i Madagasikara handray anjara amin’ny Mondial “fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra” taona 2026 any Amerika no fanamby apetrany ho an’ny baolina kitra malagasy. Ny fiakaran’i Madagasikara amin’ny CAN 2019 no lalana hisantarana an’izany, hoy izy, ary efa nandray anjara mavitrika tamin’ny fanomanana izany ny tenany. Eo koa ireo fanomanana sy fanarenana ifotony ny baolina kitra Malagasy izay efa ao anatin’ny fandaharan’asany amin’ny  filatsahan-kofidiana ho filohan’ny FMF. Efa miresaka amin’ireo klioba matanjaka any Eraopa any tenako amin’izao fotoana, hoy izy, mba hiaraka hiasa amin’ny fanatsarana ny baolina kitra Malagasy sy ny fanosehana ireo tanora manan-talenta eto.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT