Louis Démoléon

«Efa filàna ho ahy fa tsy adidy fotsiny ny miady ho an’ny Barea!»


  • Alarobia 19 Jona 2024

Efa filàna ho ahy fa tsy adidy fotsiny intsony ny miady ho an’ny lokon’ny ekipam-pirenena

malagasin’ny baolina kitra na Barea, hoy ilay vodilaharana malagasy milalao ao amin’ny Budoni Calçio, Italia, Louis Démoléon, nisaotra ireo nankahery sy nankasitraka ny fihetsika nahazoany karatra mena raha nihaona tamin’ny ekipam-pirenen’i Mali tao amin’ny kianjan’i National Bank Stadium, Johannesburg, Afrika atsimo, ny 11 jona teo. Naharay hafatra fanohanana sy fankaherezana maro aho, hoy ity mpilalao 27 taona, mirefy 1,91 metatra ity. Ny ankamaroanareo no nankasitraka ny fihetsiko mba tsy nampikobana ny haraton’ny ekipam-pirenentsika nanoloanana firenena goavana eo amin’ny taranja baolina kitra aty Afrika. Tsy misy azoko ambara ankoatran’ny hoe «Misaotra, misaotra», hoy hatrany ny tenany. Tsiahivina fa tsy afaka miatrika ireo lalao miisa 2 manaraka ho tanterahin’ny ekipam-pirenena, araka izany, ity vodilaharana manam-batana no sady tompon’ny halavana ity aloha. Inoana sy andrandraina, araka izany, fa ahita vahaolana hasolo izany ny mpanazatra, Romuald Rakotondrabe, ary vahaolana tsaratsara kokoa mihitsy aza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT