Sport

Lonilony sy ady an-trano Tandindonin-doza ny baolina kitra Malagasy


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Hanao lalao fitsapana amin’ny Eperviers Ekipam-pirenen’i Togo ny Barean’i Madagasikara ny 26 martsa izao, hatao any Maraoka, ho fanomanana ny fifanintsanan’ny CAN 2023.

Ny Togolais izay laharana faha-126 maneran-tany, raha toa ka faha-102 kosa I Madagasikara. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny mpanazatra sy ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena amin’io lalao io, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Ny 21 martsa kosa hanomboka ny famondronana any Marrakech hanomanana an’io lalao ara-pirahalahiana io, raha tsy misy ny fiovana. Ny loharanom-baovao nahazo alalana havoaka avy amin’ny Komity mpanatanteraky ny Federasionina Malagasy (FMF) kosa no naneho, fa tsy misy ahiahy ny fanatanterahana io programa io sy ny famondronana any Maraoka, hoy hatrany ny fampahalalam-baovao.

MANDINDONA NY SAZY ?
Etsy andaniny, tandindonin-doza tanteraka ny baolina kitra Malagasy eo anatrehan’ny lonilony anatiny tsy mety vita eo anivon’ny FMF. Nisy ny fifanonganana teo amin’ny Filohan’ny FMF Atoa Raoul Arizaka Rabekoto sy ireo mpikamban’ny Komity mpanatanteraka tarihin-dry Alfred Andriamanampisoa. Nisy mihitsy ny famoaham-baovao nataon’ny ankilany mitady mpanazatra ho an’ny ekipam-pirenena A, Tale Teknika nasionaly (DTN),… izay namoahan’ny andaniny tarihin’ny Filohan’ny FMF Raoul Arizaka Rabekoto fa fisandohana. Ity farany izay efa nolazain’ny Fanjakana Malagasy fa tazonina any Bénin, ary efa nandeha ny dingana ara-pitsarana hampodiana azy na “extradition”, saingy hatramin’izao tsy hita ihany. Ny tena loza, ahiana ny sazy goavan’ny FIFA noho ny fandefasana ny raharaha any amin’ny Tribonaly Malagasy, indrindra fa hilaza ho mahefa io raharaha io ny fitsarana eto. Ny TAS (Tribunal Arbitraire du Sport) ihany no tokony hitsara ny fifanolanana. Ahiana ho tratry ny sazy henjana tahaka an’I Kenya sy Zimbabwe I Madagasikara. Vao ny 24 febroary teo no nirotsaka ny sazin’ny FIFA (Federarasionina Iraisam-pirenen’ny baolina kitra) manasazy ireo firenena ire, naato tsy ho afaka handray anjara amin’ny fifaninana rehetra iraisam-pirenena. Antony fitsabahan’ny Fanjakana sy ny governemanta ao amin’ilay firenena na “ingérances gouvernemantales” amin’ny raharaham-pitantanana ny baolina kitra ao amin’ilay firenena. Raha hiverenana kely, dia naongan’ny Minisitry ny fanatanjahantena Kenianina ny Filohan’ny Federasionina noho ny fifanolanana. Voatery miditra amin’ilay hoe: “Comité de normalisation” io firenena io,… Mampanahy ihany koa ny eto Madagasikara.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT