Sport

Lomano – Tompondaka erantany Malagasy telo hiady “wild card” an’ny JO-Rio any Rosia


  • Talata 14 Jolay 2015

Mpilomano malagasy telo no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany andiany fah-16 amin’ny dobo mirefy 50m izay hatao any Kazan Rosia ny 2-9 aogositra izao

. Ny roa amin’ireo no hiainga avy eto Madagasikara ny 26 jolay dia i Fils Rabetsara Aina Estellah sy Andrianirina Lalanomena Anthony.  Hiainga avy any Frantsa kosa ilay mpilaravinahitra, Ralefy Sitraka Anthony. Marihina fa tsy maintsy mandray anjara amin’io fifaninanana manerantany io isika Malagasy mba ahazoana ireo fanasana manokana (wild card) roa anjarantsika  ho an’ny Lalao olimpikan’i Rio 2016. Ny andro voalohan’ny fifaninanana, ny 2 aogositra ihany anefa no handraisan’ireto solontenantsika ireto anjara satria mbola hanenjika ny Lalaon’ny nosy koa izy ireo hany ka tsy dia mifanandrify loatra amin’ny karazan-domano manavanana azy no hataon’i Estellah sy Nomena. Ny 400m lomano tsotra no hifaninanan’i Nomena, ny 200m karazan-domano efatra sy 100m tsipy sandry roa ny an’i Estellah ary ny 50m tsipy sandry roa sy 100m savarano ny an’i Sitraka. Ny 3 aogositra dia efa hiala any Rosia izy ireo ary handalo any Katar sy Maorisy alohan’ny hatongavana any la Réunion.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT