Sport

Lomano – Tompon-daka eran-tany Tsidi-pahitra hikatsahana “wild card” fotsiny ihany


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Mpilomano Malagasy telo mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena any amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany andiany fah-16 atao any Kazan Rosia ny 2-9 aogositra

 

. Roa ny sokajy lehilahy dia Ralefy Sitraka Anthony izay milaravinahitra any Frantsa sy Andrianirina Lalanirina Nomena ary tokana kosa ny Fils Rabetsara Aina Estellah. Tsy afaka nialana ny fandraisana anjara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity mba ahazoana “wild card” na ny fanasana manokan’ny Lalao olimpikan’i Rio 2016. Ny andro voalohan’ny fifaninanana ihany, ny 2 aogositra anefa no handraisan’izy ireo anjara satria mbola hamonjy ny Lalaon’ny Nosy any la Réunion izy telo mianadahy ireo. Ny 3 aogositra araka izany izy ireo no tsy maintsy hianga any hiazo an’i la Réunion. Mikasika ny karazan-domano hifaninanan’izy ireo dia 200 m lomano efatra mifampitohy sy 100 m tsipy sandry roa no hatrehin’i Estellah, ny 50 m tsipy sandry roa sy ny 100 m lomano tsotra ny an’i Sitraka ary 400 m lomano tsotra ny an’i Nomena.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT