Lomano

Nahazo volamena fanintelony i Jonathan Raharvel


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Horakoraka tsy nisy ohatra izany ny teny amin'ny dobo filomanosana teny Vontovorona omaly tolakandro rehefa nandray ny volamena fanintelony i Jonathan Raharvel Téo amin'ny 200 m brasse.

Vitany tao anatin'ny 2 mn 22 sec 31. Tany amin'ny taona 1985 no nahazo medaly volamena dimy i Bako Ratsifandrihamanana dia Io vitan'i Jonathan Raharvel io indray vao nisy nahazo volamena telo. Ny hitovizana dia samy tao Betongolo izy ireo no nanoman-tena fa nanana tombony i Jonathan niofana tany an-dafy sady nandray Anjara tamin'ity fifaninana avo lenta. Ary izay no tena mahamafy ny filohan'ny federasiona izao, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa raha vao resaka fiofanana izany. Azo tsapain-tanana ny vokatra izao satria saika nivoaka tany ivelany daholo ireo mpilomanana nahatonga ny medaly volafotsy iray azon'i Francky sy ireo alimo enina azon'i Holy Antsa Rabejaona sy ireo namany toa an'i Tendrinavalona sy Tendry. Mahavelom-bolo ny ho avy ny lomano indrindra raha mbola ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa no mitantantana. Fa miankina betsaka amin'ny fahazoana io toerana ao Vontovorona io koa satria afaka ampiasana mandava-taona ity foto-drafitrasa iray ity. "Mba mitovy amin'ny any amin'ny firenena mandroso ny lomano malagasy", hoy ihany izy.
Clément RABARY

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT