Lomano

Nahazo medaly volamena roa i Jonathan Raharvel


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Raha efa nampoizina fa handrombaka ny medaly volamena mandritry ny Lalaon'ny Nosy i Jonathan Raharvel dia

mbola tsara noho izany ny zava-bitany satria nomontsaniny ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara teo amin'ny 50m brasse. Vitany tamin'ny 28.68 nandridritry ny fifanintsanana ary 29.07 no nahazoany ny laharana voalohany tamin'ny famaranana. Nandritra io fotiana io koa dia tafiditra fahatelo i Daniel Randrianarosoa tamin'ny fotoana 30.10. Nandritra ny andro voalohany ny sabotsy izany teny amin'iny dobo filomanosana mitafo an'ny CNaPS. Dobo tena raitra afaka hanaovana fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika saingy ny indro kely dia an'ny CNaPS ary tsy mora ny manofa azy fa mahatratra 3 tapitrisa ny ofany ny faran'ny herinandro. Ny fanjakana anefa tena nandany volabe tamin'ny fanamboarana azy ka tokony mba nisy fifampiraharana ihany toy ny hoe azo ampiasain'ny Federasiona maimaimpoana. Na izany na tsy izany dia tombony ny fananana foto-drafitrasa toy ireny fa ho tonga ho azy ny vokatra. Hatreto aloha dia ezaka manokana an'ny Federasiona no nahafahana nandefa hiofana any ivelany irei mpilomano toa an'i Jonathan Raharvel sy Holy Antsa Rabejaona na koa Idealy Tendrinavalona izay isan'ny handrandrainy hibata medaly fa ny lokony sisa tsy fantatra. Mbola mila ezaka goavana hoy ny filohan'ny Federasiona, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa.. ENCADRE Nahazo medaly volamena fanindroany ny Malagasy omaly tamin'ny alalan'i Jonathan Raharvel teo amin'ny 100 m brasse Medaly volamena ihany koa ny an'i Tendrinavalona teo amin'ny 100 m dos vehivavy, raha alimo no azon'i Daniel teo amin'ny 100 m brasse. Clément RABARY
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT