Sport

Lomano – Nageurs Du Val : 230 mahery ireo hifaninana amin’ny “Ndao hilomano”


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Hikarakara fifaninanana hampisalorana ny anarana hoe “Ndao hilomano”, andiany voalohany, izay sady hamaky lay ireo hetsika amin’ity taona vaovao ity ny klioban’ny “Nageurs Du Val”.

Sambany ity klioba ity, izay telo taona nisiana izao, no hikarakara fifaninanana toy izao. Rahampitso Alahady tontolo andro etsy amin’ny dobo filomanosana olimpikan’ny ANS Ampefiloha no hanatontosana io fifaninanana io, izay hanasan’ny mpikarakara ireo klioba hafa avy any amin’ireo ligy toa an’Antsinanana, Boeny ary Vakinankaratra, ankoatra ireo maro be eto Analamanga. Hanana endrika fifaninanana nasionaly avy hatrany izany io hetsika voalohany karakarain’ny Du Val io. Efa nahatratra 230 sahady hatramin’ny omaly hariva ireo mpilomano nisoratra anarana handray anjara amin’io fifaninanana io, ka ny klioban’ny Crjs Toamasina aloha, ankoatr’ireo klioba maro eto an-drenivohitra, hatramin’ny omaly tolakandro no efa namaly ny antso fa handefa solontena handray anjara amin’io fifaninanana io. Heverina fa mbola hitombo anefa io isan’ny mpandray anjara io rehefa tonga ireo avy amin’ny ligy hafa, ankoatra an’Atsinanana. Santatra ary andiany voalohany ihany moa io fifaninanana rahampitso io fa hikarakara izany isan-taona toy ireo klioba hafa efa mpikarakara hetsika toy izao hatrany manomboka izao ny klioban’ny “Nageurs du Val”.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT