Sport

Lomano – Lalaon’ny nosy Mpilomano fito manoman-tena eny Talatamaty


  • Alarobia 03 Jona 2015

Mpilomano valo mianadahy manoman-tena hiatrika ny Lalaon’ny nosy any la Réunion ary mianadahy no hiatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany any Rosia.


Ny ekipan’ny federasiona malagasin’ny lomano tarihin’ny filohany vaovao, Ramanantsoa Gabriel taorian’ny fifidianana natao ny 22 aprily teo no mandray sy manohy ny fanomanana ireo hetsika goavan’ny taranja ato ho ato. Ity farany moa raha tsiahivina dia nandresy tamin’ny vato vato 3/1 nanoloana ny filoha teo aloha Randrianandraina Richard. Isan’ny kandida nifaninanana ho filoha koa fa tsy nahazo vato mihitsy I Delphin, ilay tompondakan’i Madagasikara fahiny tamin’ny 100m tsipisandry. Ligy 4 amin’ireo 5 misy raha tsiahivina no afaka nifidy dia Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra ary V7V. Tsy nanana “certificat de conformité” ary tsy afaka nandray anjara kosa ny ligin’i Boeny. Marihina fa tsy nanatrika io fifidianana io ny solontenan’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena fa ry zareo avy amin’ny Komity Olimpika Malagasy no tao. Ny faran’ity herinandro ity moa no tokony hanaovana ny fifamindrampahefana eo amin’ny ekipa telo aloha sy ny vaovao.

Fivoahana goavana roa…
Maro ny andraikitra miandry ny ekipan’ny filoha vaovao, ka goavana indrindra amin’izany ny Lalaon’ny Nosy any la Reunion (1-8 aogositra) sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany andiany fah-16 hatao any Kazan Rosia (17 jolay-2 aogositra).
Mpilomano mianadahy no hiaro ny voninahim-pirenena any Rosia dia Ralefy Sitraka Anthony sy Fils Rabetsara Estellah. Mpilomano valo kosa no manomana ny Lalaon’ny Nosy. Ny fito amin’ireo no manaraka ny fampivondronana eto an-toerana fa any ampitandranomasina Ralefy Sitraka Anthony. Ireto avy ireo efa manaraka ny fampivondronana amin’izao fotoana: Andrinirina Lalanomena Anthony, Rasolonjatovo Michael, Ranto Mampionona Ratsimiseta ny lehilahy ary Fils Rabetsara Aina Estellah, Rabarijaona Tiana Murielle, Harvel Hantavololona Sarah, Amboaratiana Domoina Navalona ny vehivavy.

Miana amin’ny zava-misy
Olana kely ny dobo filomanosana manaraka ny fenitra satria tsy mety fa mangatsika loatra ny etsy amin’ny amin’ny ANS Ampefiloha. Toy izay koa ny tetsy amin’ny Carlton Anosy ka voatery nitady vahaolana ary nifindra eny amina trano fandraisambahiny iray eny Talatamaty ny fanomantena, dobo izay fohy kokoa mirefy 17m monja fa kosa manana hafanana ahafahana manao fanazarantena. Mbola eo am-pidinihina amin’ny minisitera sy ny Tafita koa izao ny federasiona ny tokony hanampiana mpilomano iray avy lahy sy vavy ho mpisolo toerana sady mahafehy kokoa ny savarano ahafahana mandrafitra araka ny tokony ho izy ny ekipa hifaninanana any la Réunion araka ny nambaran’ny teknisianina iray, Vola Razafindrainibe izay mety hitana atsy ho atsy ny toeran’ny tale teknika nasionaly.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT