Sport

Lomano – Lalaon’ny nosy Mila manohy ny fampivondronana any Toamasina ny ekipa malagasy Voafetra tsy afaka mivelatra araka ny tokony ho izy ireo mpilomano malagasy manomana ny Lalaon’ny Nosy noho ny olana ara-potodrafitrasa.


  • Talata 14 Jolay 2015

Miafiafy be tokoa ireo mpilomano folo mianadahy izay manaraka ny fampivondronana fahatelo farany fanomanana ny Lalaon’ny nosy nanomboka ny 1 jolay teo eny amin’ny Relais des Plateaux eny Talatamaty isan-kariva manomboka amin’ny 7 ora. Dobo mirefy 17m no anaovan’izy ireo fanazarantena izay hany manana maripana 27 degre.

 Dimy ny mpilomano lehilahy ahitana an’Andrianirina Lalanomena Anthony, Rakotomamonjy Michael, Ratsimisata Ranto Mampionona ary Rakotomavo Stephan izay fiandry. Mpila ravinahitra mivoatra any Frantsa kosa Ralefy Sitraka Anthony. Enina kosa ny vehivavy dia i Fils Rabetsara Aina Estellah, Rabarijaona Murielle Henintsoa, Raharvel Hanta Valisoa Sarah, Amboaratiana Domoinanavalona ary i Andrianivohery Tatianavalona sy Raharinivo Sitraka Marinah. Mpilomano fiandry ireto roa farany. Mpanazatra nasionaly kosa mpanazatra: Razafindrafidy Naivo Andriamboahangy.

Miaina amin’ny zava-misy

Olana ny tsy fisian’ireo marika samihafa sy fitsorahana. Noho ireo antony ireo dia lasa tsy afaka manomana loatra ny ara-taktika. Isa-maraina ireo mpilomano dia manao fitaizam-batana sy mihazakazaka ary misintona lastika. Tokony hidina hanohy ny fanomanantena any Toamasina ny ekipa nasionaly ny talata izao mba hizatra amin’ny dobo mirefy 50m sy mba ho afaka manao fanazarantena betsaka amin’ny andro atoandro.

“Isan’ny hanana tokinaina ho antsika malagasy amin’ny 50m tsipy tanan-droa Ralefy Sitraka Anthony izay mila ravinahitra any Frantsa, Estellah Fils Rabetsara amin’ny 50m mitsilany ary Andrianirina Lalanomena amin’ny 200m mitsilany. Hiandrandrana medaly koa ny 4x100m lahy sy vavy” araka ny namabaran’ny tale teknika nasionaly, Razafindrainibe Harivola,. Firenena misongadina hatrizay amin’ity Lalaon’ny nosy ity moa i la Reunion fa efa mivoatra be koa ny Maorisianina izay manana mpilomano avy any Etazonia sy i Seisela izay nanomantena tany Afrika atsimo

Rasanda Serge

Dobo kely mirefy 17m sady tsy ampy hazavana loatra hanaovana fanazarantena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT