Lomano -Jeneraly Ramanantsoa Gabriel

Vatsim-pianarana amin'ireny foibe fiofanana ireny no vahaolana


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Tsy misy fahagagana ny tontolon'ny lomano fa miankina amin'ny

fanazarantena sy ny manodidina izany. Nomontsanin'i Holy Antsa Rabejaona ny zava-bita tsara indrindra teo amin'ny 50m NL ary tao anaty fotoana fohy nonnanaovany izany dia tombony ho azy ilay misitraka vatsim-pianarana any Rosia io izay toerana efa tena manana ny lazany. Izao ihany no lalana enti-mampandroso ny lomano eto Madagasikara., hoy ny filohan'ny federasiona malagasy ny lomano, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa raha tafaresaka taminay. Ho ezahina ny hahatonga ny mpilomano malagasy hiditra ireny vatsim-pianarana ireny ka tokony hatao ny ezaka rehetra ho tonga amin'izany. Tsy vitan'ny vava anefa izany fa tokony hampiasana daholo ireo foto-drafitrasa misy toy ny eny Vontovorona sy ny eny amin'ny ANS eny Ampefiloha ary tsy adino koa ny any Toamasina sy Mahajanga. Ampitomboina hifanaraka amin'izay ireo fifaninana ary entanina ireo klioba handray andraikitra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT