Sport

Lomano – FMN : Mpilomano 30 mianadahy no hanaraka ny fiofanan’i Pedroletti


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Nanatontosa fifaninanana entina hamaritana ny filaharana nasionaly vaovao ny federasiona malagasin’ny lomano (FMN) omaly tetsy amin’ny ANS Ampefiloha.

Tsiahivina fa tamin’ny volana desambra 2009 no namoaka ny filaharana farany ny federasiona. Mbola hiandry ary hiampy ny vokatry ny fifaninanana natao ny alahady teo ihany tany Mahajanga anefa vao hivoaka io filaharana vaovao io. Anisan’ireo nandefa solontena niakatra teto an-drenivohitra kosa ny ligin’Atsinanana sy Vakinankaratra ankoatra ny eto Analamanga. Nahatratra an-jatony ireo mpilomano niatrika izao fitsapana izao. Marihina fa io filaharana vaovao io no hifantenana ireo mpilomano 15 lahy sy vavy avy hanaraka ny fiofanana hotarihin’ilay manampahaizana frantsay Michel Pedroletti, ary federasiona iraisam-pirenena (FINA) izay hatao eto Antananarivo ny 26 martsa hatramin’ny 4 aprily izao. Ankoatra ny fiofanana ho an’ireo mpilomano dia hahazo ny anjarany koa ireo mpanazatra. Efa fanindiminy izao i Pedroletti no nandalo teto amintsika izay anisan’ny nanomana ireo mpanazatra sy atleta malagsy niatrika ny lalaon’ny nosy 2007 teo. Tsy niatrika ny fitsapana omaly kosa i Tojohanitra na dia tonga teny an-toerana ihany aza noho ny tsy fahasalamana kely nahazo azy, saingy efa manana fotoana azo hampidirina amin’izao fandrafetana ny filaharana vaovao izao ihany ny tovovavy tamin’ireo fifaninanana nataony tato ho ato. Izy rahateo no mbola voalohany tamin’ny filaharana farany, eo alohan’i Fils Rabetsara Estellah. Eo amin’ny lehilahy kosa dia Rakotondrazanaka Indra no voalohany tamin’ny filaharana teo aloha arahin-dRamanatsoa Tsilavina sy Randrianandraina Princy.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT