Sport

Lomano Fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara Etsy amin’ny dobon’ny ANS Ampefiloha indray no fotoana manaraka


  • Talata 03 Martsa 2020

Nifarana tamin’ny alahady 01 martsa 2020 tao amin’ny dobo filomanosan’ny Collège Monfort Saint Gabriel Mahajanga mirefy 25 m « Petit bassin »

 

 

 ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2020 eo amin’ny taranja lomano Malagasy rehefa naharitra hateloana ny fanatanterahana azy. Zava-bita tsara indrindra 4 be izao no montsan’ireo mpilomano tany Mahajanga tamin’izany dia izay vitan’i John Rakotomavo mpilalaon’ny St Michel teo amin’ny 200m « papillon » ka raha 2.15.33 teo aloha dia  lasa 2.10.21 sy teo amin’ny 800 m « nage libre » vitany tamin’ny 9.16.33 raha 9.18.75 tany aloha. Ravan’ilay mpilomano vavin’ny Cosra Vakinankaratra, Tendrinavalona Idealy koa ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara teo amin’ny 200m « dos » izay 2.27.80 teo aloha lasa 2.25.70. Ny zava-bita fahinymontsana tamin’ity fifaninanam-pirenena tany Mahajanga ity dia izay nahavitan’i Francky sy Daniel ary John sy Jonathan avy amin’ny St Michel ny relais 4x100m ho 4.06.92 ny zava-bita tsara indrindra teo aloha 4.12.59.

Ankoatra izay dia zava-bita tsara indrindra vaovao miisa 7 ihany koa no vitan’ireo  mpilomano Malagasy nandritra an’ity fifaninanana ity  dia izay vitan-dRakotobe Tiavia Tendry mpilomano katita « poussins » avy amin’ny klioba St Jeanne d’Aric Boeny teo amin’ny 50m « Dos » ka ny 37.76 teo aloha dia vitany tamin’ny 37.30 sy teo amin’ny 100m « dos » nahavitany 1.19.90 raha 1.23.59 no vitan’ny teo aloha ary teo amin’ny 100m in-4 mifampitohy vitany tamin’ny 1.21.59 raha 1.22.04 teo aloha.  Teo amin’ny sokajy junior koa nohatsarain-dRabejaona Holy Antsa avy amin’ny Managing ho 30.08 ny zava-bita 30.20 teo amin’ny 50m « papillon » teo aloha ary teo amin’ny 100m « papillon » dia mbola nohatsarainy ihany koa ny zava-bita teo aloha 1.08.09 lasa 1.07.96. Ary ireo zava-bita vaovao 2 farany dia izay nanatsaran’Andrianirina Malalasoa avy amin’ny Cosfa ho 2.52.45 ny zava-bita teo aloha 2.54.78 tamin’ny 200m « brasse » ary teo amin’ny 800m « nage libre » izay 10.08.11 nohatsarain’i Stéphanie Rasoamanana ho 10.05.07.

Tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara tany Mahajanga ity ihany koa no nanoloran’ny Federasion’ny Lomano Malagasy fankasitrahana an’ireo mpilomano 4 mianadahy nisolotena antsika tany amin’ny fiadiana ny ho tompodakan’i Afrika natao tany Gaborone farany teo ka nitondran’izy  ireo medaly 10 nody an-tanindrazana. Notolorana 200.000 Ar i Tendrinavalona Idealy nahazo ny medaly volamena tokana. Notolorana  150.000 Ar avy isaky ny medaly azony kosa ireo nibata ny medaly volafotsy ary notolorana 100.000 Ar isaky ny medaly azony ihany koa ireo nibata medaly alimo. Notolorana 200.000 Ar manokana kosa Rakotomavo Jhon noho ireo zava-bita tsara indrndra teto Madagasikara montsany tamin’iny fifaninanana iny. Ary farany dia tsy nohadinoin’ny Federasion’ny Lomano Malagasy ihany koa ny Tale teknika nasionalin’ny lomano Malagasy izay nitarika ny delegasiona tany Gaborone.

Etsy amin’ny dobo filomanosana “grand bassin” etsy amin’ny ANS Ampefloha indray ny fotoanan’ny  mpilomano rehetra amin’ny 15 ka hatramin’ny 18 aprily 2020 ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT