Sport

Lomano Efa eo Ampefiloha ny Malagasy


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Manana tombony ireo mpilomano malagasy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara.

Efa etsy amin'ny dobo filomanosana etsy Ampefiloha tokoa mantsy izy ireo no manohy ny fanazarantena avy tany Toamasina. Efa misy rano mafana ity dobo ary efa fandresena ho an'ny Malagasy izany satria afaka mampiasa izany mandava-taona amin'izay. Raha tsy hoe natao vonjy tavanandro hamonjena ny Lalaon'ny Nosy fotsiny ilay izy. Fantatra mantsy fa mila herinaratra sy fitaovana fanadiovana ny rano izay tena lafo. Ny fifaninanana avo lenta anefa fantatra fa tokony tsy mitsahatra amin'izany fanazarantena izany.Tombony ho an'ny mpilomano eto anivon-tany izay mandrafitra ny 80 isan-jaton'ireo mpilomano anaty ekipa nasionaly.Miandrandra medaly volamena izany indrindra ireo niofaba sy nandray anjara tamin'ny fifaninana tany ivelany toa an'i Jonathan Raharvel sy Idealy Tendrinavalona ary Holy Antsa Rabejaona.
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT