Lomano

Dobo indray ny Malagasy


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Efa tsy nentina tany amin'ny Lalao Afrikanina dia izao indray tsy lasa any

Luanda hamonjy ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika. Izay no fanapahan-kevitra navoaka ny Ministeran'ny Fanatanjahantena sy ny Tanora.Fanapahan-kevitra izay tena mamono tanteraka ny lomano malagasy. Dobo araky ny fitenenana nefa tsy afaka manoatra.Dia very anjavony ny ezaka toy ny nataon'i Holy Antsa Rabejaona izay miofana any Kazan ary mbola nianto-tena namonjy ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara.Tsy ampy noho izany ny eo ampelatanany nefa ireny foibe fiofanana an'ny federasiona iraisam-pirenena ireny dia miandry vokatra amin'ireo mpilomano raisiny an-tanana. Mety ho very noho izany ny tombontsoan'ity zazavavy nahazo ny medaly volamena nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany. Mbola nandtombaka medaly volamena telo koa i Jonathan Raharvel nefa dia tsy nisy hiraharahon'ny ministera mpiahy izany. Maninona raha hanao mizana tsindrian'ila toy izao raha foanana any mihintsy io ministera io.Sarotra anefa ny miteny hoe tsy mahita sy miaina amin'izao favavozana izao ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahatena izay teo amin'io toerana io efa ampolon-taonany ary efa nisy minisitra efatra nifandimby fa dia mbola Rosa ihany no Rakotozafy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT