Sport

Lomano 50m papillon Nomontsanin'i Holy Antsa ny fotoana tsara indrindra


  • Talata 18 Aprily 2023

Isan'ny andrandraina hitondra vokatra tsara mandritry ny Lalaon'ny Nosy i Holy Antsa Rabejaona. Fandresena

hatrany mantsy ny azony nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'ny Madagasikara 2023 notontosaina tany Toamasina ny faran',ny herinandro teo. Tena ao anaty heriny tsara ity tovovavy ity izay any amin'ny foibe fiofananana an'ny Federasiona iraisam-pirenena ny Lomano any Kazan, tanàna iray any Rosia. Tsy vitan'ny hoe nanjaka tanteraka izy teo amin'ny sokajy nandraisany anjara fa mbola nomontsaniny koa ny fotoana tsara indrindra teo amin'ny 50 m pap izay lasa 29 segondra sy 25 raha 29.34 izay azy ihany izany teo aloha. Nandritra io fifaninanana tany Toamasina io koa no namontsanan'ny St Michel ny zava-bita tsara indrindra teo amin'ny 4x50m Nage Libre izay 1.47.74.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT