Lomano, 50m

Montsan’i Holy Antsa Rabejaona ny zava-bita tsara indrindra


  • Talata 19 Desambra 2023

Montsan’i Holy Antsa Rabejaona indray ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara

eo amin’ny taranja lomano satria dia vitan’ny tovovavy tao anatin’ny latsaky ny 27 segaondra ny halavirana 50m, sokajy lomano malalaka na “nage libre”, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Isan’ireo nahazo vatsim-pianarana «Solidarity dévelopment program» eo amin’ity taranja ity any Rosia dia ny The Volga Region State University of Physical Culture, Sport and Tourism moa ity mpilomano malagasy ity. 26’’94 no namitany ny 50m nandritry ny Salnikov Cup 2023, tao Saint Petersburg. Tsiahivina fa 27’’35 no namitany izany nandritry ny lalaon’ny nosy natao teto Antananarivo farany teo. Nahazo ny laharana fahatelo kosa izy, na izany aza, nandritr’ity fifaninanana tatsy Rosia ity ary rosianina mirahavavy izay nahavita 25’’63 sy 26’’71 no nahasongona azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT