Lomano - 50 m "nage libre

Nomontsanin'I Holy Antsa ny zava-bita tsara indrindra


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nonokatra pejy vaovao ho an'ny lomano malagasy i Holy Antsa Rabejaona teo amin'ny 50m Nage Libre.Vitany tao

anatin'ny 27 segondra sy 35 ampahazatony io teny amin'ny dobo filomanosana teny Vontovorona.Zava-bita tsara indrindra nataon'i Bako Ratsifandrihamanana tany amin'ny Lalao Afrikanina tao Nairobi izay 25.99 io nomontsanin'i Holy Antsa Rabejaona io.Nody ventiny ny rano natsakaina hoy ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izay filohan'ny federasiona Malagasy ny lomano.Isan'ireo nahazo vatsim-pianarana mantsy ity tovovavy ity ary lasa tany amin'ny foibe fiofanana tany Kazan any Rosia.Nahazo fiofanana avo lenta toy izany koa i Jonathan Raharvel ary izy mianadahy ireto miaraka amin'i Tendrinavalona Idealy izany izao no loha-masinina hitarika ny lomano malagasy.
Clément RABARY

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT