Loïc Lapoussin

Tsy milamina sahady koa ny fiarahana amin’ny Saint-Trond VV


  • Talata 19 Aogositra 2025

Taorian’ny nialany tao Frantsa rehefa niara-nilalao nandritry ny 2 taona

tamin’ny ekipan’ny Red Star FC dia azo lazaina ho tena tamàna sy namiratra tao Belzika nandritry ny 6 taona ilay lohalaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra, Loïc Lapoussin. Nalaza ho mpilalao mitrifana na «rebelle» ny lehilahy hatramin’izay ka hatramin’izao faha 29 taonany izao, eny, fa na tao anivon’ny ekipam-pirenena na ny Barean’i Madagasikara koa aza moa dia mbola nahoraka hatrany izany tao anatin’ireny fotoana tsy niantsoan’ny mpanazatra azy ireny. Mpilalao manan-talenta sy isan’ny mampiaiky ao an-toerana koa nefa izy ary matetika maratra eny an-kianja. Niara-nilalao tamin’ny RE Virton izy ny taona 2019 ka hatramin’ny 2020. Niaraka tamin’ny Union Saint Gilloise indray ny taona 2020 hatramin’ny 2024 ary izay resaka tsy fifankahazoana tamin’ny mpitantana sy mpanazatra izay no voalaza ho antony nampitsaharana ny fifanarahany tao. Niantso azy taorian’izay ny Saint Trond VV, izay divizionina voalohany manana ny maha izy azy ao Belzika, tahaka ireo klioba miisa 2 hafa voalaza teo ihany koa saingy taorian’izay lalao miisa 12 vitany sy nahatafidirany baolina miisa 3 izay dia heno fa tsy milamina sahady indray koa ny fifanarany amin’ity klioba vaovao misy azy ity. Ny ratra nahazo azy teo amin’ny kibon-dranjony nandritry ny fanazarantena no antony tsy nahafahany niakatra tamina lalao ofisialy mihitsy tamin’ity taom-pilalaovana ity, raha ny fampitàm-baovao, ary mazava ho azy fa ratsiratsy toerana vokatr’izany indray ny lehilahy ka heverin’ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena ao an-toerana fa efa fotoana sahady tokony hijereny izay klioba vaovao hahafahany milalao amin’ny taom-pilalaovana manaraka izao akatoky ny taom-pamindràna mpilalao na «mercato» izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT