Loïc Lapoussin

Tsara naoty indrindra amin’ny fampilaharan’ny CIES Football OBS


  • Zoma 08 Aogositra 2025

Ny lohalaharana malagasy, Loïc Lapoussin, izay milalao ao amin’ny Saint-Trond VV,

divizionina voalohany belza eo amin’ny taranja baolina kitra, no mpilalao tsara naoty indrindra eran'i Eoropa, raha ny fampilaharana nataon’ny CIES Football OBS. Mpilalao aman'arivony amina fifaninanam-pirenena eoropeanina miisa 21 no natao fandalinana. Nojerena ny lafiny fahaizana manolotra baolina, indrindra, ireo tsy azo ivalozana fa miafara any anaty haraton’ny mpifanandrina. Nivoaka ny valiny. «Critères indicateurs» na tondro marika maro no nalaina toy ny resaka fanafihana na «Attacking», ny fitazomam-baolina na «Possession», ny tolotra na «Passing» ary ny fiarovan-tena na «Défending» no nodinihana. Sady mpilalao mahay manafika no mahay mitazom-baolina ary mahay manolotra no mahay miaro tena no noraisina eto. Ny CIES observatory moa dia foibe fikarohana ambony mandalinana sy mikajy mirindra ny momba ny kitra. Ao Suisse no misy azy ary miara-miasa amin’ireo mpamakafaka sokajiana ho avo lenta amin’ny baolina kitra manerantany maro izy ao anatin’izany rehetra izany. Loïc Lapoussin no laharana voalohany, manana isa 2,62. Faharoa, ilay slovenina, Ryan Alebiousu, manana isa 2,03. Fahatelo, ilay italianina, Salvatore Elia, manana isa 1,77, raha ity fampilaharana ity hatrany.
Nangonin’i J. Mirij 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT