Loïc lapoussin

Mbola manina ny Union Saint Gilloise


  • Talata 27 Mey 2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

raha tazana niaraka nanao fety tamin’ny mpilalaon’ny Union Saint Gilloise ny faran’ny herinandro teo. Mbola tsy nisy tao anatin'ny 90 taona, raha izao nahazoana ny tompondakan'i Belzika izao, ho an'ity klioban’i Loïc fahiny ity ka tonga tany an-toerana nankalaza, nandihy sy nifety nandritry ny alina i Lapoussin, niaraka tamin'ireo mpiara-milalao taminy taloha . Nandray anjara tamin'izao fandresena izao aho, hoy izy, fa miverina ho an'ny klioba sy ny mpanohana ny fandresena. Mendrika ry zareo tao anatin'izay fotoana ela be izay, hoy ihany i Lapoussin. Tsiahivina fa ny USG no tena nanamarika indrindra ny fotoana naha mpilalao baolina kitra an’i Loïc lapoussin, raha toa ka nandritry ny 5 taona no nilalaovany niaraka tamin’ity klioba divizionina voalohany ao an-toerana ity, izany hoe ny taona 2020 hatramin’ny 2025 nialohan’ny nifindrany ao amin’ny Saint Trond VV, izay mbola klioba manana ny toerany ao Belzika ihany. Hita ho mbola manina ity klioba nanamarika azy ity, araka izany, ny lehilahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT