Sport

Loïc Lapoussin Maniry ny hilalao ivelan’i Belzika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny tolotra izay

nataon'ny klioban’ny baolina kitra Union Saint Gilloise, divizionina voalohany ao Belzika, izay nilalaovan’ny lohalaharana malagasy teo aloha, Loïc Lapoussin, Ahazoana an'ilay mpiandry tsatobian’i Standard de Liège, divizionina voalohany ao an-toerana ihany, Arnaud Bodard. Takalo izay nampidirana an'i Loïc Lapoussin sy ny mpilalao namany, Anthony Moris, miaraka amin’ny vola fanampiny mba ahazoana ity mpiandry tsatoby ity izany, raha ny fanazavana hatrany. Voalaza fa tsy nanaiky izany moa i Lapoussin noho izy maniry ny hilalao ivelan'i Belzika amin’izay, izany hoe ivelan’ny fifaninanam-pirenena matanjaka indrindra ao an-toerana dia ny Jupiler Pro League.
Tsiahivina fa efa hatramin’ny taona 2020 ny tenany no nilalao tao Belzika raha toa ka tao Frantsa, dia ny klioban’i US Crétail, no nanomboka ny taona 2003 hatramin’ny 2017. Mbola klioba frantsay milalao amin’ny fifaninanam-pirenena tsy matihanina dia ny Red Star FC ihany avy eo no nandray azy hatramin’ny taona 2019 ary tamin’io taona io ihany koa izy no nifindra tao Belzika ka nanomboka tao amin’ny RE Virton nandritry ny 1 taona ary izao namarana fifanarahana tao amin’ny Union Saint Gilloise izao. Tapa-bolana teo izay no efa voalaza fa nisy ny disadisa teo amin’ity mpilalao malagasy ity sy io klioba nisy azy farany io ary nahatonga azy nifindra monina avy hatrany tany Alemaina mihitsy. Andrasana hatreto, araka izany, ny tohin’ny lalany ao anatin’izao faha 28 taonany izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT